fanolorana (ankapobeny)

Published on 03/17,2006

i ravakamalala ve? tsy dia misy ambara firy aminy , tsy miavaka loatra amin ny be sy ny maro fa mitovy aminareo rehetra ireo ihany e! izy tsy manam pahaizana be fa tsy dondrona koa , tsy manan talenta nefa tsy bonaika, ... raha liana ianao dia izao e...

Anarana : ravakamalala. Ao anatin io ny tena fanampin anarako, fa manatsafidy ianao , ka raiso izay mampetipety anao aho fa na inn na inn dia manamarina ahy daholo.

ravaka : satria azo lazaina hoe tsy dia mahasosotra loatra aho raha bika aman endrika (hum, hum), tsy ilay niangarana ireny koa aloha e. Mety ho ravaky ny tokantrano, sa lohasaha? na inn na inn dia manome endrika izany ny atao hoe ravaka, ... asa anefa...dia ny ravaka koa lafo vidy. za aloha tsy vitan ny lafo vidy fa tsy voavidim-bola mihitsy aza. raha ampifandraisina amin ny toetrako indray angamba izay dia izaho ilay "difficile". amin ny lafiny fitiavana aloha aho somary manahirana izay e, :-0

malala : za dia be fitiavana rehefa tsapako fa mendrika izany avy aty amiko ilay olona. Mbola tsy nanolotra ny ainy aloha fa vonona raha ho an ilay tena tiako izay ;-), rehefa tia dia tia ary mandà-tena mihitsy, ny ahy zany tsisy antsasa dalana fa na isika miara-mirona, na isika mifanao veloma.

ravakamalala : io iantsoana ahy rehefa izao ilay favori-nao, na adika main ny tena tsotsotra hoe ilay namanao. ;-) 

viavy zah (fanaka malemy?!?!) tsy mitomany hitovy amin ny lehilahy satria ...vehivavy (marina satria tsy diso, ...lol...) mazava anie izany e, matoa navahan ny lahy sy ny vavy dia satria tsy mitovy . fa miady amin ny tsindry hazo lena aho an! zay kosa ve efa lena mbola ho tsindriana ihany, koa raha tsinona koa!!!!

taona : tanora lalandava (manofy e? :-) ) 

fiaviana : madagasikara soa

toerana ipetrahana (na hoe tohatra fiakarana angah no metimety kokoa) : la frantsa 

 isan ny faniriako (tafiditra anatin ireo vavaka fanaoko ) : fahasalamana, famindram-po, fahalalana, fahendrena (ho ahy, ny fianakaviako, ny namako, ny mpiray tanindrazana amiko, sy ny mpiara belona amiko) dia ny mba hatafita an ilay madagasikarantsika.

 isan ny zavatra tsy tiako (maha kizitina ahy ): ny olona ratsy fatory, ao ny mibahana, ao ny mitsipa-damba, ao ny mitsivalana, ny miesona sy ny mitraky nify moa tsy tenenina intsony, ny manofy miteny ,....aaarrrggghhhh, dia za koa tsy tia olona tsy mahalala fomba, nefa tsy manome tsiny loatra satria resaka fitaizana io no tena marina, na azo dieny mbola kely , na tsy azo intsony.


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=214

Leave a Reply

One Response to fanolorana (ankapobeny)



  1. Visit pissoa

    Hihihi, izay ony ry zareo ilay atao hoe ravakamalala an!
    Mampme be anah le zavatra tsy tian-dry sy ilay hoe
    " ny ahy zany tsisy antsasa dalana fa na isika miara-mirona, na isika mifanao veloma."



  2. Visit ravakamalala

    tsy hain dry angah lé hoe "miara-mirona ry kala alika a!" ...lol



  3. Visit pissoa

    Ka io mihitsy no mampme ahy aminy koooo :)



  4. Visit lapino

    Hihiii, ny an'i ravakamalala zany raha vao tsy miara-mirona rehefa matory dia tsy tian-dry? ;-)



  5. Visit ravakamalala

    voalazanao, izay ilay maha lapino an lapino ;-) isn't it?



  6. Visit lapino

    Ilay mirona sa ilay matory? ;)



  7. Visit ravakamalala

    :-D :-D tsy hitako ntsony zay lazaina ... lol...



  8. Visit jentilisa

    Ilay milaza ny tenany fa sarotra amin'ny fitiavana saingy manana ny olana amin'ny antsoina hoe fitiavana. Te-ho sarotra sa matahotra ny ilaozana? Tsy misy ve izany ny namanamana?



  9. Visit ravakamalala

    mpandinika loatra enao ty rajentl ! tsy hainao angaha ilay fomba fiteny hoe "izay fatra-pifidy no sendra ny lo". ngah tsy loza e!



  10. Visit dadabe

    :D :D izay ve rangah ity vao hitako ,hay ve izany i ravakamalala e, humm!! milay e, dia ...oupsss tsy haiko injay le saika nolazaiko