Dada tiako....

Published on 09/22,2007

Nanan-talenta izay dadanay izay, na dia tsy nahavita namoaka boky toy ireny kalaza lahy ireny aza izy, na dia tsy mba niakatra antsehatra ho tehafan ny mpijery aza izy, ato ampoko dia i dada no poety mahay indrindra (topazo maso anie ao am sokajy tononkalo ao e !!!)

Ny mampalahelo dia izao, mba te hamaly ny tononkalony aho ilazako ihany koa ny fitiavako azy, ary ny alaheloko amin izao fotoana izao, saingy tsy mahay aho!!! nefa be ny tiako ambara..... ka asa ihany raha ho tody ny hafatra ....


Ka indramiko ny tononkalon i Rado :


I DADA VE ?

Ilay tadiaviko ny sandriny amin ny andro maizim-bolana

Fa ny azy irery moa no tanjako sy reharehako

ilay manao ny tsy hain i Neny fa mitondra ala-olana

Rehefa hitany aho fa vaka eny an-dalana alehako.

 

Nefa izy ihany koa ilay misangy ahy mahery

Hanazatra ahy mitolona amin-java-manahirana

Izy ilay nampianatra ahy hahay mizaka irony fery

Tsy hikentron-tava akory fa hitsiky sy ho mirana

 

Izy ilay nitarika ahy hanidy trano miaraka aminy

Sao tafihim-pahavalo tsy ampoizina ny trano

Izay kinendriny amin io? Hay ny saiko no nomaniny

Hahay mitandro toetra soa tsy hidiran ny angano.

 

Dia toetra tsy mitovy amin ny sentom-pon i  Neny

Fa mahery vaika izay raha miteny sy mandrindra

Nefa koa ankehitriny, sahiko eto no miteny

Fa iDada no sakaiza sady mahatoky indrindra.

 

Rado.

 

....very sakaiza aho zareo....

 

22 septambra 2007 4 ora sy sasany.


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=3418

Leave a Reply

One Response to Dada tiako....



  1. Visit Namana

    Misaora an'Andriamanitra, afaka nikalo ny hatsaran'i Dada. Tsy ny rehetra no afaka migoka izany.
    Ao ireo sendra ray masiaka, mamolava, tsy mitondra karama mody...
    Ny maha-poety kosa, talenta!
    Iezaho ny hitahiry ny vakoka malagasy, dia ho lasa lavitra ianao...
    Iezaho ny haneho ny fahalemen'ny olombelona ao aminao dia ho hitanao fa hahery ny teny hoenti-maneho ny hevitra... (ny devise nao ery ambony ihany io no nocommenter-ko a tort et a travers)
    Tsy very sakaiza ianao, aza manahy... Ny tena ray tsy mandao ary tsy ilaozana raha tena niteraka olona tokoa...
    Tsy hita maso, tsy re miteny, fa mitsinjo eny ho eny...
    Ny kely mba fantatro momba ny tononkalo no omeko anao :
    satria tena manana ny talentan'ny Poeta ianao (ny fo)...
    Kanefa misy zavatra ilaina hanampiana izany (ny saina) : ny fiezahana hanaraka ny drafitra siantifika izay mahakanto bebe kokoa ny tononkalo, izay antsointsika malagasy hoe Gadona sy tsaikona.
    Tsy ny Rima ihany manko no miady amin'ny tonon-kalo tonga lafatra fa ny silaby ihany koa...
    ...
    Ha-JAo ry to-vo-VA-vy
    ny vo-ni-NA-hi-tra-o
    tan-DRE-mo ny mo-SA-vy
    ma-nim-ba HA-ja a-nao...

    MAzotoa e



  2. Visit Pissoa pissoa

    Elaela indray vao hita indry an ;)

    Tsy very sakaiza ka !

    Pissoa