"AN - TANANAO"

Published on 04/06,2008

Inty ny tononkalo nosoratan i Dada farany alohan' ny nandaozany antsika tamin ny 22 septambra 2007. Tsy amin alahelo no anoratako azy fa vao maika aza mifanohitra amin izay : FANANTENANA. Faly mihitsy aza aho eto am-panoratana satria na inona na inona ny zava-tsarotra nentiny tamin ny fiainany, tsy nanadino an' Andriamanitra hatramin ny farany izy. Smile 

 

"AN-TANANAO"

An-tananao ry Raiko

No apetrako izao

Ny fanahiko.

Na ny foko na ny saiko,

Toerana eo anilanao no katsahiko

Ny tena zavatra ilaiko

Dia fiainam-baovao

Ho rombahiko

Ka atolory ahy ny baiko

Hampanao ny sitrakao

Fa arahiko

Eny fa hotontosaiko,

Ny teny izay nomeko anao

Tsy tsoahiko.

Fa na sarotra aza efaiko,

Raha ianao no tsy mandao :

Ho SAHIKO.

A.H.L

 

Ny tena mahavariana ahy amin' ny tranga-javatra toy izao dia ohatran ny mahatsapa hoy aho ny olona ho faty hoe efa ho avy ny androny, sa ve omen' Andriamanitra aingam-panahy manokana ? ... ohatran ny misy zavatra iray foana mantsy mahatonga mieritreritra izany, rehefa tena zohiana aty aoriana avy eo hoe "izay izany no antony nahatonga an' iny olona iny nanao fihetsika toy izay, na nanoratra zavatra toy izao, na nananatra, na .... "Tsaroako koa mantsy talohan ny nahafatesan i Neny dia nanana fijery tena tsy ho adinoko mandrakizay izay izy tamiko, nifandinika nandritra ny minitra vitsivitsy izahay mianaka , ary tena tsapako tamin izay fotoana izay fa nidika zavatra betsaka iny fomba fijeriny ahy iny, tapaka lalan -dra moa izy ka tsy afaka niteny na dia nahatsiaro tena tsara aza, saingy tamin izany moa iza no nieritreritra hoe handao anie izy ity ny ampitson iny?  Fa mahagaga e!!!!!

Momba ity tononkalon i dada ity indray dia i Dada moa rehefa manoratra tsy toy ny kalaza lahy tena manam-pahaizana amin io taranja io hoe manankarena voambolana na hoe manana style hoe tena kanto fa ny azy dia tsotra nefa hitako hoe tsara, miantefa ny hafatra, ary tena manaitra. Tsy afaka novakiana tany am-piangonana araka ny faniriako satria taratasy nalefany ho ahy tamin ny paositra ilay izy ka nony niverina taty avy nandevina aho vao voaraiko! Sa sao dia mba hafatra nosoratany tany amin izay misy azy tany aza io ?!?!?  .... Surprised

Ho an 'ireo izay tena liana, mbola ho avy ny blaogin i A.H.L izay hahitana ny tononkalo rehetra nosoratany (misy aloha tena rediredy be fa tsy maninona, ho soratako ao daholo, iza moa no hotahafin ny zanany amin izay lafiny izay? Cool )

 


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=4569

Leave a Reply

One Response to "AN - TANANAO"



  1. Visit simp

    Mampatsiahy an'ilay film, city of angels. Rehefa ho faty ony ny ol dia misy anjely manka azy... imagination mety marina.

    Mety hoe tsindri-mandry ihany koa...



  2. Visit pissoa pissoa

    Tsara. Mahagaga tokoa akia.

    Tamin'i Neny narary tamin'ny Jolay 2007 teo iny a, za niantso tany Dago isan'andro. Fa tamin'ny niantso za tamin'ny 20 Jolay dia tsy dia nahateny firy intsony i Neny fa Veloma ilay zanako fotsiny hoy izy dia nomeny an'i Dada ny phone. (Ha ha - novonoiko ny phone-ko tamin'zay fa tena tsy mbola vonona handray vaovao mihitsy aho hoe lasa i Neny kle hi hi). Sao dia mba efa fantapantany aza hoe tsy hahatratra azy intsony aho rehefa tonga tany Dago ... fa 21 ny hoe hody za moa izy 21 no lasa :) hi hi hi.

    (Ohatra ny lasa kely loatra akia ilay soratra amin'ilay tononkalo a).



  3. Visit pissoa pissoa

    Fa izaho aloha miandry ilay blaogy A.H.L e :)



  4. Visit ikalamako ikalamako

    Ny an'i mamanay indray efa vitany iray volana mialoha ny nahatongavako tany ny faire-part sy ny hira nalahatra tamin'ny litorjia tao am-piangonana.
    Asa, angamba izy efa nieritreritra ny handeha ihany saingy tapa-kevitra tampoka ny hody aho nony fantatro hoe tsisy antony handefasako vola hitsaboana azy fa aleo izahay mianaka no mandeha mba mahita azy faramparany, dia nolaniako nitsabo azy teny @ hopitaly ny iray volanay mianaka, dia ny ora niondranako tanaty fiaramanidina nitodi-doha nody taty Roma izy no nanary aina. Ka taminay dia efa saika handeha mialoha ihany izy fa nony reny hoe ho avy ny zanany sy ny zafikeliny dia nijanona indray izy ary niandry ny nandehananay vao nandeha fa tsy tiany hisy olana ny fanalavana ny séjour-nay sy ny billet-nay mianaka tany.
    Ka tena marina io tenin'i ravakamalala io fa tena mahatsapa rizareo rehefa mandindona ny andro farany.
    Fa tamin'izay aho tena tsy nety namaky ilay faire-part sy hira efa namboariny, brrr. Fa dia fampiomanana sy fampiononan-tena aloha izay e.
    Dia tongava haingana ilay blaogy hifampizarana an !



  5. Visit maintikely

    Nisy namako izay namoy ny ainy efa taona vitsy lasa izay.
    Dia tsy haiko hoe efa tandindony ve sa aona, fa andeha hanao vacances taty za, dia ny andro andehanako izy nanao veloma anà tany antranonay sady ny zavatra noteneniny no tena nanamarika ahy satria hoy izy hoe: "ndry izany dia tsy ho hitako intsony?"
    Izy tsy narary an, fa tena olona salama tsara mihitsy, au contraire ny mamany aza no narary mafy.

    Herinandro alohan'ny hodiako izy no nalevina, za tonga tany tanà tsy nahalala inon'inona fa dia saiky torana rehefa notenenina hoe maty izy :((

    Tena nahalasa saina ahy hoe tsapany ary ve hoe ho faty izy ...



  6. Visit lap

    Fa ilay tononkalo aloha tsara e



  7. Visit DadaRabe

    MAhafinaritra be ilay hafatra satria mampiseho fanantenana araka ny voalazan'i Ravakamalala. Fiainana izany ry Ravakamalala !

    MIsy fotoana tokoa ny olona mahatsapa angambahoe efa akaiky nyfarany. Nisy marariko iray izay nilaza tamiko hoe "je vais mourir docteur" dia hoy aho taminy hoe tsy misy an'izany fa tsy misy aretina tokonay hahafaty anao. TSy nanaiky mihitsy izy. Kanjo tratran'ny aretin'ny hopitaly "infection nosocomiale" izy. Dia maty tokoa !



  8. Visit ravakamalala ravakamalala

    Misaotra anareo!

    pissoa > hitako mihitsy hoe kely loatra ilay soratra ary saika hovaiko mihitsy fa tsy nety intsony ilay izy avy eo, dia leo b aho dia navelako amin izao fa miala tsiny amin ireo somary pahina e! :-p

    Ho avy ny blaogin i AHL e!