"voan-dalana"

Published on 04/14,2008

Ho avy avy any dago i nenitoanayyyyyyyyyyy !!! ka io moa araka ny fomba izay tsy hita izay maharatsy azy dia tsy maintsy manafatra entana foana e! Na ny aty na ny any dago, rehefa hoe misy olona handeha dia marina fa eo ilay hoe maika ny hifankahita fa ny tena mahamaika koa (ary mino mihitsy aho fa iombonako amin ny rehetra io) dia ilay manafatra entana, tssss...

Ka ny ahy efa manomboka ato ny lista :

-anamadinika

-ravitoto

-katsaka voatoto

-vomanga

-fintsa

-volo-katsaka

-macaron

-bonbon côcô

-caca pigeon

-produits an ny homeopharma

-sôkôlà rôbera

-mofo gasin analamahitsy (any ihany an!)

-menakely 

-patsa mena

-tsaramaso mena

-voanjobory lena (maty aho fa saika adinoko)

-kabaro

... ( à suivre) 

 


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=4619

Leave a Reply

One Response to "voan-dalana"



  1. Visit news2dago news2dago

    gravy ko zany!
    tena mety tsy ho omby ny valizy ny nenitoa ra izao ko



  2. Visit simp

    le resaka phytosanitaire no manirikiry be, surtt ra tany tsy miteny frantsay no andehanana...

    fa le volon-katsaka atao in?
    atao sora ve ? :)



  3. Visit ikalamako ikalamako

    za koa vao saika hanontany hoe atao inn volon-katsaka ?
    ary ny ramanonak'Ambodimita angaha tsy mamely intsony toa hadino ?
    Ny sôkan'lahy rôbera kosa aloha tena fatratra e. Mba andefaso aty akia rehefa tonga ny nenitoantsika a !
    ny kaka pizon indray hoatran'ny tsy dia nahataitra ahy intsony nahagaga, niova va re ny tsirony sa ny tsiro fandren'ny lelako no niova ?



  4. Visit ravakamalala

    news2dago > 'nareo ve tsy mahalala gasy mandeha avion e? tsy maintsy omby foana io , hihihi

    simp> :-D tsy mety volo katsaka fa maina loatra ;-)

    atao rano fisotro ny volonkatsaka fa "diurétique"

    ikalamako > misaotra nanome hevitra ampiana ramanonaka marina leity e! sa mofo grefy?



  5. Visit pissoa pissoa

    Yes ... milay izany ! Fa aza hadino ny manipy anamadinika aty rehefa tonga ny voan-dalana ah. hi hi



  6. Visit ravakamalala

    tena mifona aho zareo fa ny anamadinika tsy ahalalako havana !!! hihihi



  7. Visit lap

    voanjobory ! ;-)
    lena !!! 8-)



  8. Visit bilakarenjy

    raha mahazaka koban-dravina i nenintoa miaraka @ sakay maintso voatoto dia aza adino koa ny sambo 1Litre sy ny sosisy gasy ao Ambondrona ,ataovy 3kg raha antonona ihany ny valiziny .

    Miaraka @ tee-shert TGV ,fa favy be .



  9. Visit bilakarenjy

    Lasa mihaja be ilay toaka sambo rehefa aty ,fa somary asiana voankazo milona ao anatiny de tena masaka be ,maika moa mahazo sosisy gasy sy sakay ,de miampy loks kely .Vita ny grillade miaraka @ Tee-sh . Hihihihiiii



  10. Visit ikalamako ikalamako

    :-P raha mba resaka tavoahangy ihany dia ny ahy mangoustan asaina entin'i nenitoa fa efa lany ilay nalefan'i tsikisariaka farany teo :-(



  11. Visit ravakamalala

    bilakarenjy > raha saosisy ve tsy aleo saosisin ny 10?
    lap > nga tsy loza fa efa saika adino mihitsy io voanjobory io e?? saika nanota fady!
    ikalamako > maninona raha mba manandrana an ilay punch an dzama ndray e? sady efa misy karazany be dia be izao ireny?



  12. Visit bilakarenjy bilakarenjy

    sady mitondra ao @ 10 izany no maka ao @ 1 no miakatra eny Ambondrona koa . Eo @ 5kg eo zany raha kely indrindra ny sosisy tokony ho entin'ny nenitoa .
    Efa nisotro le mangost sy ireo punch en couleurs an'ny dzama fa mafaitra be ny ao am-bava rehefa maraina sady mangaraka be ny tenda .
    Le mpanamboatra toaka ordinaire ireo ,hono ,toa manao taoka mihaja ihany ,fa nisy namanay avy any dago nitondra Jeneraly sy Turbo 1Litatra fa tena milay ,fa tsy azo rotorotoana kosa aloha ,fa sotroina am-pahendrena e!.



  13. Visit bilakarenjy bilakarenjy

    saika adinoko ,fa teneno koa nenitoa hoe : aza adino ,hono ilay lambahoannnn ,fa hiarahako @ ilay number one de tandremo sao modianao faninnnn ry ravaka ,fa efa ho avy ny andro mafannnnn . Ao tsara .