UNION DE PRIERE
Andriamanitra dia FITIAVANA. I ravakamalala dia mino tanteraka fa Andriamanitra no mpandahatra ny fiainantsika olombelona, fantany izay mahasoa antsika, ary raha tena matoky azy dia tsy ho very amin izay tokony ho anjarany isika tsirairay avy. Indraindray anefa isika dia sendra ny fitsapana tena mahamay sy marary hany ka velom panontaniana hoe " Nahoana re Andriamanitra ô?" Dia tsy mahita valiny, tsy tokony hahakivy izany fa izao no tadidio "Dieu permet le mal pour un plus grand bien"...
Ka mandalo fitsapana i ravakamalala amin izao fotoana izao satria tsy salama ny zaza entiny am-bohoka, ary raha mihitatra ny tantara dia mety afaka andro vitsivitsy aorian ny aterahany io zaza io dia mety handao antsika. Ny angatahin i ravakamalala amin ny mpitsidika ny blaoginy amin izao fotoana izao ,dia ny mba hitondranareo ambavaka io zaza io mba ho salama, fa tsy misy izay tsy efan Andriamanitra.
Misaotra.
04/16,2008, at 16:32
Visit news2dago
Mahereza ary fa mahatsiaro anao izahay!
fa hono oa firy Herinandro izay ilay zaza ao am-bohoka raha tsy mahadiso?
Izay mahasoa ataon'Andriamanitra e! fa mahereza hatrany, misaotra tsy nisalasala nizara ny olana!
04/16,2008, at 17:04
Visit xxx
Mivavaka ho an'ilay zaza. Sy ho an'ilay reniny koa !
Mazotoa + Mahereza indry :)
04/16,2008, at 18:09
Visit ravakamalala
misaotra anareo be dia be!
efa 8 volana latsaka ny kibo!
04/16,2008, at 18:27
Visit xxx2
"Ny finoanao no hahavonjy anao"
Mirary soa,
amen
04/16,2008, at 20:10
Visit ikalamako
tsy very fanantenana ny zanak'olombelona na eo amoron'ny famoizam-po aza, hoy izay namako izay nosoratany tany ho any ;
Mahereza fa ny finoanao no tokinao amin'izany lalan-tsarotra izany.
Adidinay namana no mampahery anao.
Affection.
04/16,2008, at 21:56
Visit harilova
Sarotra io teny io rehefa ao anatin'ny manahirana, saingy misy heviny kosa rehefa voasedra ny finoana.
Mivavaka ho anao sy ho an'ny fahasalaman'ny zaza.
Ho tò anie ny sitrampon'Ilay Tompon'ny aina.
04/17,2008, at 01:18
Visit xxx3
Mahereza ravakamalala. Tsy dia hitako loatra izay holazaina. Tahaka ny zarainao aminay koa ilay fitsapana.
04/17,2008, at 10:20
Visit Lalasoa
Raha manana finoana toy ny an'i Joba hianao dia hovaliana soa!
Mahereza indrindra, Ravakamalala!
04/17,2008, at 19:52
Visit ravakamalala
misaotra anareo rehetra izay namaly, araka ny noteneniko dia fitsapana tsy maintsy lalovana, ary ny fitsapana, araka ny famaritana azy dia fitsapana indrindra hoe hatraiza ny finoanao.
nozaraiko taminareo tokoa ny fitsapana satria izay no isan ny antony ananako NAMANA.
mbola mamerina ny fisaorana.
04/19,2008, at 01:35
Visit vaninna
Mahereza Ravakamalala
Izaho koa mino toa anao fa mahay zavatra rehetra Andriamanitra
Ary tsy misy tsy hainy atao , tsy manome zavatra tsy zakantsika koa izy
Lazaiko an'i Ravakamalala fa kivy alinalina aho io, kivy satria mandalo sedra sy fitsapana be toa anao koa ;tsy nahita tory aho no par hasard ni_klik ity pejinao ity , namaky ny fanombohany, sy ny union de priere angatahinao ,misaotra anao mizara ny finoanao an'Andriamanitra , no sady miantso ny mpamaky hanamafy ny finoany , na toy inona na toy inona onjany fiainana
matokia ianao fa itondra anao ambavaka izahay
mahereza
04/19,2008, at 08:39
Visit bilakarenjy
Tohina ny fo mahatsapa fa misy namana sahiran-tsaina toy izao indrindra @ zavatra saro-bidy sy masina .
Mahereza ry ravaka fa tsy misy tsy hain'Andriamanitra @ ora farany izay tsy ampoizinao .
Tadidio fa tsy manary anao izy ary eo akaikinao sy ilay ao ambohoka . Zany an! .