"SEDRA"

Published on 06/13,2008

....

 

 

 

Ny sedra ange, sakaiza

na ho aiza ianao na ho aiza 

tsy orana mitraho ahina hirotoroto

ka iomanantsika hanjairana sarotro...

na lefim-pahavalo

ahina hampimalo

hanevika ny fo, na hampitondra ratra

ka anefena ampinga ho fiarovan-tratra.

 

Fa donan-kerivaika

tampoka fiantraika

hitsapa ny hamafisan'ny fototra nalevina

sao tsy vodivato madonda sy matevina.

Fa afo mahamay

tsy re fiavy izay

hitsapa ireo akora amin ny fitselany

na tena volamena, na hosoka eto ivelany.

 

Ka raha tonga tampoka

ny sedra ka manampoka,

eo no andrefeso ny herinao anaty,

sao afona-mololo mirehitra dia maty

Na tanjaka am-panahy

mijoro tsy manahy :

Finoana lalim-paka tsy lefin-korohoro

Fa donim-pitsapana vao mainka koa mijoro.

 

RADO

Septambra 1993 

 


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=4915

Leave a Reply

One Response to "SEDRA"



  1. Visit ikalamako ikalamako

    Na misy aza sedra tsy maintsy setraiko
    Manao hosivoanjo ny fiaina-maliako
    Mainka hijoro ny fo sy ny saiko
    Tsy maintsy mitohy ny kalom-balihako.

    Rado 93 ihany io.

    Mahereza !



  2. Visit simp

    Tsara be

    mbola ho avy ilay maraina...
    ... mahereza ee



  3. Visit Lalasoa

    Marina izany, aorian'ny sedra no ahitana ny tena volamena!
    "Fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany"



  4. Visit pissoa

    Tsara ilay tononkalo !

    Dia tsara koa ny mikalo azy !

    Mahereza :)



  5. Visit ravakamalala

    ikalamako > nisalasala mihitsy aho hoe ito sedra ito ve no apetrako sa io tononkalo napetrakao io , "tsy misy " no lohatenin izy io. isan ny tena ankafiziko mihitsy ilay bokin i rado hoe sedra io.

    simp sy lalasoa > misaotra anareo, soa tokoa fa tsy misy ririnina mandavan-taona izany e!

    pissoa > m'saotra akia a, gaigy be io peta iray io ka, za aloha dia tena miala satroka amin ny fahaizany e! na ny teny ampiasainy, na ny style-ny tena samy tiako daholo



  6. Visit ravakamalala

    pissoa > hihihi, "poeta" no tiako tenenina fa tsy "peta", tpt ...