"Tiava ny namanao..."

Published on 04/25,2006

Manainga maniraka io fitiavana io! "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao", io ny didy faharoa nomen Andriamanitra antsika zanany.


Mampisalasala ahy rehefa tena nodinihiko, satria ny fitiavanao olona iray dia manosika anao hanome fahasambarana, fahafaham-po, fifaliana, ho an ilay olona tianao voalohany indrindra. Indraindray na dia sakafo hohanina aza rehefa fantatrao fa tian ilay olon tianao dia na noana tahaka ny inona aza dia aleo tsy mihinana fa avelanao ho azy, na koa amelana foana izy (ny kankana anefa ao ankibo efa manao "couvert").

Na dia marary aza ny fonao , na dia tsy mifanaraka amin ny fanirianao aza ny azy, na dia tsy eken ny sainao aza ny fihetsika ataony, dia manaiky ihany ianao satria fantatrao fa izay no mahasambatra azy. Dia tia ny tenanao ve ianao eo?

Any amin olon kafa ny fahasambarany? ekenao satria faly ianao rehefa sambatra izy, mirana ianao reefa mitsiky izy, revo ianao rehefa mientanentam-po izy.
Dia ny hany fara-teninao dia ny hoe " inay aho izy". Dia tian ny tenanao ve ianao eo?

 

 eisy e ry fitiavana e!


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=771

Leave a Reply

One Response to "Tiava ny namanao..."



  1. Visit jentilisa

    Milaza zavatra roa samihafa io fitiavana lazainao io. Ny ainga tsara fantarina voalohany dia manao hoe: Moa tia ny tenanao ve ianao? raha tia ny tenanao ianao dia ahoana no ikarakaranao azy? Tianao ve ilay mihafy matetika mba hampifaly azy...sa matahotra ianao fa lasa izy raha tsy anao izany ianao dia omenao azy aloha izay azo omena hampifaly azy? Sa miara-mihinana izay azo ianareo ka tonga amin'ilay hoe valala iray ifanapahana? Raha lasany avokoa ny valala dia tsy hoe tia azy ianao fa nanandevo tena aminy ianao. Masiaka ve izany teniko izany? Izay aloha ny hevitro tsy misorona!



  2. Visit pissoa

    Hihihi, misy moa hoe "ny fitiavana mahay mandanjalanja" ?



  3. Visit ravakamalala

    jentilisa> ié masiaka ny fiteninao ....fa marina.

    pissoa> ié, zany hono fa ity koa ozizy ilay kalaza lahy iray izay : "l'amour a ses raisons que la raison ne connait pas"



  4. Visit lapino

    Ny fitiavana mahay mandanjalanja ahoana àry, fa angaha moa tsy hoe "izay tia adala" ? :)

    ravakamalala, izay no atao hoe tia raha ny hevitro. Na ilay manandevo tena aminy aza, tia ihany izany. Ary rehefa "tia" dia tsy mahatsiaro maty antoka.

    Ilay resaka hoe tahaka ny tena, hehehe ... ndeha hifaninana amin'ny fitoviana indray kle! 8)

    Fa ny "tia" matetika miaraka amin'ny hoe "mifankatia". Eo indray dia ilay tia lazainao mandeha avy amin'ny lafiny roa.

    Ka raha ifanapahana ny valala, ianao tia, izy koa tia, ... dia tandremo sao miady :) (sady tia azy ianao eo no tia an'ilay valala ;))