Mibadabada miantso hoe : DADA

Published on 04/26,2006

Tononkalo nosoratan i dadanay ho ahy. Manan-talenta izy io saingy indrisy fa noho ny amafin ny fiainany ve ? ... na izany aza , deraiko manokana satria ... dadako.

FANIRIANA


Tompo ô! Tena mamiko

Azafady mba hindramiko

Indro aho fa hivavaka

Ho an ny zanako : i Ravaka.

Manao ahoana, hono, izy?

Izy ange ka mbola ankizy e!

Azafady mba hiangaro.

Raha maditra anefa anaro.

Na dia zanaka tsy foy,

Tsy maninona, kapohy,

Nefa ataovy moramora

F'isan 'andro, isan' ora

Mila hitomany aho.

Koa miangavy, mitalaho :

Handefero kely ihany,

Aza avela hitomany

Sao marary be ny fony

Ka izaho dia tsy ho tony

Fa hitomany hiaraka aminy

Nefa izay no zava-maminy.

Nefa fantatro f'izao :

FITIAVANA Ianao.

Ka tsy hamela azy ho irery

Na hamely azy ho very.


Ny angatahiko dia izao :

Aoka hotantananao

Amin ny lalana hodiaviny.

Ka ny zavatra tadiaviny

Sy izay mba mety ho maminy,

Aoka ho tanteraka aminy.


Raha very, aza afoy

Raha marary, mba tsaboy.

Malahelo, ampifalio,

Very lalana avilio.

Aoka ho hendry ka hivoatra,

Raha mahay hahay hisaotra.


Ny angatahiko amin i Ravaka

Tsy hitsahatra mivavaka

Fa tsy very hatramin 'izao

Izay miaraka Aminao.


Ny ahy dia fanirian' adala

Fa Ianao no mahalala

Ka mitantana ny diany

Amin izay rehetra iriny.


Fara-teniko dia izao :

Tompo ô! Misaotra Anao

Tsy anay ny safidy

Na ho mamy na mangidy.

Ny anay dia FANIRIANA

Ny anay dia fiangaviana.

Fa n'inona atolotrao

Dia isaoranay Anao.



DADA

(19/07/05)


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=779

Leave a Reply

One Response to Mibadabada miantso hoe : DADA



  1. Visit ravakamalala

    Maninn aza zah raha mba manantalenta ohatran dadanay? tttsss...

    Ny tena gravy be amin io tonkalo io dia ilay hoe :

    "Raha maditra anefa anaro.
    Na dia zanaka tsy foy,
    Tsy maninona, kapohy,"

    kapok' Andriamanitra izany ve tsy aharary?



  2. Visit Hery

    Tena manan-talenta marina i dadanareo. Tsara be ilay izy. TSy mitomany foana ve ianao isaky ny mamaky an'io? :-)
    Zah aza ato velon-tsento.



  3. Visit pissoa

    Ntsonale e! Tiako be raha izaho kou no hanoratan'i dadako tononkalo, hihihi!

    Fa i Ravaka kosa e, misy tohiny anie io lazain-dry io e:"Nefa ataovy moramora" ... kapoka moramora izany ve haharary?



  4. Visit lapino

    Za zao sahy mifanamby, fa efa vita sora-kaliana, voapetaka amina takela-kazo misy cadre io tononkalo io, ary mihantona amin'ny rindrina manaingo ny tranon'i ravakamalala! :)

    Tsara be ilay tononkalo



  5. Visit ravakamalala

    hery > danz be mihitsy sady am zay efa 5 taona aho zay tsy nahita aza.

    pissoa > haha, ndry ty an! kapohako moramora eo fa ataovy.



  6. Visit pissoa

    Hihihi, ozizy le zandriko lahy kely izay rehefa mba nikapoka azy aho hoe "Ny kapokinjy anie tsy mankarary ahy akory fa mampangidihidy e" :D



  7. Visit jentilisa

    Tsotra sady tsara



  8. Visit ravakamalala

    lapino, jentilisa > misaotra