tsiambaratelo fa ambarako aminao eeee!!!!!....
...aza tratrako i pissoa sy lapino fa maratrako. Tag a tag , zao aho mitagataga... tssssssss.... Eny ary fa efa izay no tadiavinareo, miala kely ny saron tava androany, tandremo nefa sao tsy mahatanty a , nisy antony anie matoa ireo notazomiko ho tsiambaratelo e! tsiambararoa mihitsy aza,
1/ hahahaha na za aza tsy nahalala an ity secret iray ity : tena BADO
aho amin ny fampiasana ny blaogy.com, mampiditra lahatsoratra avy dia
tena mampiraraka ny hatsembohako amin ity andro ririnina ( sempotra aho vao nahavita an ity ho "rohy tohiny ..." an!!!. pppfffff
2/ za tena mankafy mijery dessins animés ary tena mivanitika sy midonaka eo anoloan ny panthere rose.
3/ milatsaka ny ranomasoko ndraindray (ndraindray ho aho a) rehefa mijery "ally mac beal" !
4/ tena saro piaro be mihitsy i ravakamalala, amin ny olon tiany.
5/ Mahay manafina be ny hasarotam piarony anefa i ravakamalala dia ohatran ny hoe izy no tena "sipa cool indrindra amin ny tanana" ( indrisy ry lisy fa tsy nisy na dia tapa-tsôsisy)
6/ nanomboka tamin ny 2001 aho no nifoka sigara be ohatran ny lamasinina (fa izao aloha mijanona eo amin ny garan ambatofotsy ny lamasinina dia tsy manetroka indray)
7/ nanaiky fitia lamban akoho tamin na lehilahy iray izay aho (ngah tsy loza e!!!) ary atsy ho atsy (amin ny volana jona ) dia ho lasa 2 ny tara-masoandronay!
... za anie efa niteny hoe tsy aleo najanona ho tsiambaratelo!!!! ka dia mazotoa ary dia mampamangy amin ny ankizy fa ny lehibe efa nihaona!
Hafatra manokana ho an i : ikaretsaka mandra-pamaky ny pistilinaô e! efa nitagataga daholo ny mpitoraka blaogy mba fantako!