"AN - TANANAO"
Inty ny tononkalo nosoratan i Dada farany alohan' ny nandaozany antsika tamin ny 22 septambra 2007. Tsy amin alahelo no anoratako azy fa vao maika aza mifanohitra amin izay : FANANTENANA. Faly mihitsy aza aho eto am-panoratana satria na inona na inona ny zava-tsarotra nentiny tamin ny fiainany, tsy nanadino an' Andriamanitra hatramin ny farany izy.
"AN-TANANAO"
An-tananao ry Raiko
No apetrako izao
Ny fanahiko.
Na ny foko na ny saiko,
Toerana eo anilanao no katsahiko
Ny tena zavatra ilaiko
Dia fiainam-baovao
Ho rombahiko
Ka atolory ahy ny baiko
Hampanao ny sitrakao
Fa arahiko
Eny fa hotontosaiko,
Ny teny izay nomeko anao
Tsy tsoahiko.
Fa na sarotra aza efaiko,
Raha ianao no tsy mandao :
Ho SAHIKO.
A.H.L
Ny tena mahavariana ahy amin' ny tranga-javatra toy izao dia ohatran ny mahatsapa hoy aho ny olona ho faty hoe efa ho avy ny androny, sa ve omen' Andriamanitra aingam-panahy manokana ? ... ohatran ny misy zavatra iray foana mantsy mahatonga mieritreritra izany, rehefa tena zohiana aty aoriana avy eo hoe "izay izany no antony nahatonga an' iny olona iny nanao fihetsika toy izay, na nanoratra zavatra toy izao, na nananatra, na .... "Tsaroako koa mantsy talohan ny nahafatesan i Neny dia nanana fijery tena tsy ho adinoko mandrakizay izay izy tamiko, nifandinika nandritra ny minitra vitsivitsy izahay mianaka , ary tena tsapako tamin izay fotoana izay fa nidika zavatra betsaka iny fomba fijeriny ahy iny, tapaka lalan -dra moa izy ka tsy afaka niteny na dia nahatsiaro tena tsara aza, saingy tamin izany moa iza no nieritreritra hoe handao anie izy ity ny ampitson iny? Fa mahagaga e!!!!!
Momba ity tononkalon i dada ity indray dia i Dada moa rehefa manoratra tsy toy ny kalaza lahy tena manam-pahaizana amin io taranja io hoe manankarena voambolana na hoe manana style hoe tena kanto fa ny azy dia tsotra nefa hitako hoe tsara, miantefa ny hafatra, ary tena manaitra. Tsy afaka novakiana tany am-piangonana araka ny faniriako satria taratasy nalefany ho ahy tamin ny paositra ilay izy ka nony niverina taty avy nandevina aho vao voaraiko! Sa sao dia mba hafatra nosoratany tany amin izay misy azy tany aza io ?!?!? ....
Ho an 'ireo izay tena liana, mbola ho avy ny blaogin i A.H.L izay hahitana ny tononkalo rehetra nosoratany (misy aloha tena rediredy be fa tsy maninona, ho soratako ao daholo, iza moa no hotahafin ny zanany amin izay lafiny izay? )