ravitoto sy "côcô"
Ela ny ela ka tena natsiro ny ravitoto nandrahoiko, apetrako eto ny "recette" sady zaraiko aminareo no jerijereko any aoriana any koa sao adinoko....Zavatra ilaina :
1 / ravitoto gasy (raha tsy manana ravitoto gasy dia ilay saka-saka ireny tsy maninona fa misy toro-hevitra kely : avereno "mixé-na kely ilay izy fa somary masaikasaika izay mantsy izy ireny), raha eto paris moa dia misy ravitoto gasy ao amin ny bazar be
2 / henakisoa (hitako hoe morceau tena mety ny jambonneau na rouelle, na poitrine koa tsy maninona)
3 / tongolo gasy (vôniny 4)
4 / siramamy ( sotro lehibe 1 )
5 / sira
6 / boatina "lait de côcô" (eny amin ny sinoa dia efa ahitana an io)
ity amin izay ilay teknika mazika :
endasina tsara ny henakisoa, somary asiana menaka eran ny sotro raha tsy dia matavy loatra ilay hena, rehefa mendy tsara ny hena dia arotsaka ny ravitoto, sy ny sira , ary ny siramamy, asiana rano, ary hidina tsara ny "cocotte" dia avela hiketrika tsara ao!
rehefa akaiky ho masaka iny ny ravitoto sy ny hena naketrika, dia arotsaka amin izay ny tongolo gasy voatoto, sy ny ranona côcô (antsasak ilay boaty ihany an) dia avela hiketrika indray fa tsy mila hidina ny "côcôtte", atao an ilay fomba gasy ilay silany kely iny fotsiny no misokatra, dia miandry eo amin ny antsasak' adiny eo./
aza adino ny manandrana sira fa tsy mahavoa ny ravitoto tsy ampy sira.
Mandrapà an, atao ny couvert, atao ny lasary voatabia, avoaka ny sakay, vonoina ny téléfona , dia ankafizina tsara ny ravitoto, mmmmmmm..........
tsara ireto izany a!! marina e! mbola miraraka ny iviko hatramin izao!